Mpandraharaha tanora maherin’ny 600 no hahazo fiofanana amin’ny alalan’ny “masterclass” sy fianarak’asa, hanamafisana ny tetikasany. Izany no vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Maison de l’Entrepreneuriat (MDE), izay vita sonia ny alarobia teo teny Antaninarenina. Andry iankinan’ny tetikasa ny fampiofanana ireo tanora sy […]
Taratra
Orinasa Star : 1,5 miliara Ar isan-taona hanofanana ny mpiasa
Manome lanja ny fanofanana ny mpiasa ny orinasa Star. Mahatratra 1,5 miliara Ar isan-taona ny natokana hamolavolana ny mpiasa mivantana maherin’ny 1 700. Satria, ilaina ny fanamafisana ny traikefan’izy ireo, mba hifanaraka amin’ny filan’ny tsena sy ny kalitaon’ny asa. Manodidina ny 20 000 ora isan-taona no atokana ho an’ny fanofanana, manome salanisa […]
Unesco : Tsy tandindomin-doza intsony ny atiala Atsinanana
Nambara tamin’ny fomba ofisialy, ny 9 jolay teo, tany Paris, nandritra ny fivoriambe faha-47 ny Kaomity ny vakoka iraisam-pirenena ao amin’ny Unesco, fa nesorina tsy ho isan’ny vakoka iraisam-pirenena tandindomin-doza intsony ny Ala mando Atsinanana. Miisa enina ny Valanjavaboahary mandrafitra ireo ala mando ireo, i Masoala, Marojejy, Andohaela, Zahamena, Ranomafana […]
TARATRY ny KANTO
“Kolosary”, sekoly hianarana ny sarimihetsika sy horonantsary eto Madagasikara. Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo matihanina amin’ny sarimihetsika, hanatontosana ity tetikasa ity. Handray mpianatra manodidina ny 150 any am-piandohany ny Kolosary ka haharitra 3 taona ny fiofanana isan’andiany. Anisan’ny tompon-kevitra amin’ity tetikasa ity […]
« Manal’azy vita Bacc »: Hanapoaka an’Antsahamanitra ny Olombelo Ricky
Hatao ny 25 jolay 2025 ho avy izao ao Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana «Manal’azy vita Bacc» ataon’ny Olombelo Ricky. Toerana efa nahazatra ny mpankafy maro nifandimby, nisantarana ity hetsika fanaon’ity mpanakanto ity isan-taona ny ao an-toerana, nanomboka ny taona 90. Izay tsy mbola mety afaka ao am-pon’ny taranaka maro nifandimby. […]




