Taratra

Tarika H’Avana : Mamelomaso ny famoronana ny hira vokatry ny tany

Tarika ivondronana tanora nasesi-pitiavana mozika, ka hanandratra ny forona mifototra amin’ny vazo an-gitara ny H’Avana. Manan-kozaraina izy ireo. Mamorona fa tsy mamerina. Fanamby goavambe hataon’ny tarika H’Avana, lalantsaina entiny mamakivaky ny tontolon’ny mozika izany. Manome lanja izay famoronan-kira misy fototra izay ny tarika, satria ankoatra ny mozika efa mikoriana ao […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, i Esoavelomandroso Andreas Monique Claudine, anisan’ny mpikambana vaovao ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny mariboninahi-pirenena ao amin’ny faritanin’i Toliara. Efa nisahana ny andraikitry ny “Médiateur de la République” teo aloha ihany koa izy. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa afaka manitsy ireo diso amin’ny mombamomba azy ny olom-pirenena rehefa tonga eny anivon’ny […]

Filana raharaha eny amin’ny kaominina: Hanamora ny fikirakirana dosie ny “Matac”

Anisan’ny fitaovana informatika hikirakirana ireo dingana samihafa ho amin’ny fahazoan-dalana manorina ny “Matac”. Natao hampiasain’ny eny anivon’ny kaominina izany hanomezana fahafaham-po ireo mila raharaha. Anisan’ny tetikasa novolavolain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny «Observatoire du Territoire – OT» ny “Matac”. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera fa […]

Tsy mila fanatsatsoana

  Manahirana ny manao zavatra tsara ho an’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mampananosarotra ny fitondrana tetikasa ho fampandrosoana. Misy sokajin’olona diso mpihatsaravelatsihy tsotra izao. Milaza fa tia tanindrazana izy ireny amin’ny fanoherana ny fitondrana. Rehefa misy anefa ny manam-piniavana hanao dia mailaka ny vava amin’ny fanatsatsoana. Pingapinga amin’ny fanakiviana! Asa […]

Fandraisana ny fivorian’ny COI : Ifarimbonana ny fanamboaran-dalana

“Ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA) tena miara-miasa akaiky amin’ny faritra Analamanga”. Io no nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionaliny antoko TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiomanan’i Mada­ga­sikara amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5. Hatao eny amin’ny CCI, Ivato, amin’ny 23-24 […]