Taratra

Mpianatry ny Lycée nanala zaza: Zazarano nariana tao an-tranon-kisoa

Voasambotra omaly, tao Antalata Centre, ny mpianatry ny Lyçée iray, avy nanala zaza. Nariany tao anaty tranon-kisoa ny zazarano efa dimy volana an-kibo. Zava-doza! mpianatra amin’ny Lyçée, kilasy famaranana, no nosamborin’ny polisy, omaly. Avy nanala zaza izy. Tao amin’ny tanànan’Antalata Centre, kaominina Ambohimahasoa, no nitrangan’izany. « Nesorin’ny reniny io zaza io […]

Fimpima FJKM Ambohitantely : Nosaloran-damba ireo mpikabary 20 mianadahy

Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitan­tely. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana. No­tontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro. Nisolo […]

Farakely sy Rija R. : Nampiaina indray ireo hiran’i Bessa sy Lôla

Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Rama­nan­toanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery […]

INDRAY MIJERY

Hikarakara ny fankalazana miavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ny 05 sy 06 jona 2026, eny amin’ny Parvis Analakely, ny CUA sy ireo minisitera tompon’andraikitra. Hetsika hampifanakaiky ny fikarohana siantifika sy ny vahoaka. Hanentanana ihany koa ny tanora, indrindra ny mpianatra eny amin’ny oniversite, izany. Ho fanatsarana ny […]

Famoahana kopia : Mampitarazoka ny asa ny fahanteran’ny fitaovana

Ny fitaovana efa tonta sy tsy mahazaka ny filàna intsony no mahatonga ny fahatarana amin’ny famoahana kopia amin’izao fotoana. Io ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny kaominina An­tananarivo Renivohitra manoloana ny fitarazohan’ny asa famoahana kopia nahaterahana eny amin’ny boriborintany. Efa tranainy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, toy ny serveur, […]