Nanomboka ny alakamisy teo, tao Antanandava-Toamasina ny dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny Port Sec III. Nitsirika ny toerana hanaovana ny tetikasa ny orinasa Colas, hanao ny asa, sady nijery sahady ny paikady hametrahana ny “Plateforme multimodale logistique et portuaire de Toamasina” (PMLP-T). Tanjona ny hananana seranan-tsambo manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. […]
Taratra
MASACHAM : Hanandratra ny fifanakalozana i Madagasikara sy i Afrika Atsimo
Soa fanararaotra ho an’ny fampiasam-bola sy fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny malagasy mpandraharaha sy Afrika Atsimo ny Tranoben’ny varotra Madagasikara-Afrika Atsimo (Masacham). Vina iraisana ny hampiroboroboana ny toekarena eo amin’ny firenena roa tonta. Tetezana hampifandray ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana eo amin’ny firenena malagasy sy Afrika Atsimo ny Masacham. Tanjona ny […]
FANTINA sy FINTINA
I Jean-Marc Grosgurin no masoivoho manokana sady manana fahefana feno, vaovaon’ny Repoblika frantsay, eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoakan’ny filoha Emmanuel Macron, ny 7 aogositra lasa teo izany, ary nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 8 aogositra. Izy no nandimby ny ambasadoro Arnaud Guillois. Tokony hifantoka bebekokoa amin’ny fifidianana sy […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : ”Ny samy Malagasy no mandamina ny firenena”
”Ny Malagasy samy Malagasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy fa isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’ny famaritana ny hoavin’ny firenentsika.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Mamitiana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, namory ireo sokajin-kery na olona manana solontena ao amin’ny komity teknika misahana ny […]
Sao diso fahavalo
Raha misy tokantrano iray tsy mifankahazo; eny, na miady aza: voatery mifandamina sy manambatra hery, raha vao misy vahiny miditra. Na hanao soa izany, na sanatria hitondra loza: tsy ananan-kavana ny an’ny tena. Na ankohonana io, na fananana, na fomba amam-pitsipika… Manoatra lavitra noho izany ny fifandraisana sy ny […]





