Taratra

TSELATRA

Namoy ny ainy tao amin’ny hopitalibe Tambohobe Fianarantsoa, omaly tolakandro, ilay rasazy may teo anivon’ny CSB II Manakara. Tra-doza tampoka teo anivon’io toeram-piasany tao Manaraka io izy, ny 12 desambra teo. Vokatry ny fahavoazana, voatery nakarina notsaboina tao Fianarantsoa izy saingy izao tsy tana izao ny ainy. Kila hotohoton’ny afo […]

40 tapitrisa Ar very : Vatamafihidy novakin’ny mpiambina

Novakin’ny mpiambina ny birao fiasan’ny orinasa iray eny Ambohimahitsy Ambohi­man­gakely, ny alakamisy 12 desambra 2024 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Misy vatamafihidy (coffre fort) misy vola 40 tapitrisa Ar tao amin’io birao io. Lasan’ireo jiolahy ny vola rehetra. Nahazo antso fanairana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohi­ma­ngakely momba […]

Nanondraka rano mangotraka: Voasambotra ilay vehivavy

Niakatra fampanoavana tao Mandritsara, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ilay vehivavy 19 taona nanondraka rano mangotraka ny vadiny. Nitrangana fifandirana teo amin’io vehivavy io sy ny vadiny tao amin’ny tanànan’i Farara, kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, ny alahady maraina tamin’ny 8 ora. Nisy vehivavy niantso tamin’ny finday ilay rangahy vadiny. Saro-piaro […]

Nifatraran’ny kamiao: nosokirina tanaty fiara ilay mpamily taxi

Avotra soa aman-tsara saingy naratra ny mpamily fiara karetsaka nifatraran’ny kamiao tetsy Ankadikely-Ilafy, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 17 desambra teo. Potika tanteraka ilay taxi. Nifampisokiran’ny mpamonjy voina tao anatin’ny fiara fitadiavam-bolany ny mpamily fiara karetsaka iray teny Manjaka, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny alatsinainy 16 desambra tamin’ny 12 […]

Mariboninahitry ny kanto : Nasongadina Randrianaivoravelona

Andrarezina ka mendrika. Nisy ny lanonanana manokana, nentina nanasongadinana sy nanomezam-boninahitra an-dRandrianaivoravelona, ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe. Nampiakarina eo amin’ny laharan’ny “Com­mandeur” izy, ho an’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Tonga manokana tany an-toerana, nanolotra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra. […]