Voarohirohy amin’ny fangalarana tany marobe no itorian’olona azy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, mpanao gazety, teny Anosy, omaly, taorin’ny fametrahana amin’ny toerany ireo filoham-pitsarana maromaro, ny amin’ny fanenjehana ny depiote Naivo Raholidina. Misy amin’ireo nilaza fa nangalarany tany no nisiana fikasihan-tanana. Maromaro ny olona mitory […]
Taratra
Mitety tany
Efa mahazo faka tanteraka ny fitondran’ny miaramila ny tanàna. Efa mitety vazantany sy manatrika fivoriana iraisam-pirenena maro ny Filoha sy ny ekipany. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny sehatra iraisam-pirenena intsony i Madagasikara. Resabe sisa ny mahakasika izay sazy arangarangan’ny fikambanana iraisam-pirenena. Efa mahazo avara-patana ny Malagasy. Lavina […]
Africa Forward : Mandray anjara ny filohan’ny Fanavaozana
Nihazo an’i Kenya, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana. Anisan’ireo filoham-panjakana handray anjara amin’ny « Africa Forward » hatao any an-toerana, anio, ny tenany. “Fiaraha-miombon’antoka Afrika sy Frantsa ho amin’ny fanavaozana sy ny fiarovana”. Io no lohahevitry ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy i Frantsa 2026, hatao atsy Nairobi, Kenya, anio. Nanainga teto an-tanindrazana, omaly, […]
Torana teny an-dalana: Lehilahy nahatrarana rongony iray sakaosy
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fampanoavana, ny lehilahy iray nahatraran’ny zandary rongony iray sakaosy teny Andoharanofotsy. Nitaingina fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io, ny sabotsy 9 mey teo. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa izy ka nentin’ireo tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana. Nanao ny asany ny mpitsabo ka fantatra fa tsy nahatsiaro […]
Sendika mpiasan’ny APMF: « Manontsana ny fitsikilovana ny mpiasa »
Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ny sendika (SMA) eo anivon’ny Agence portuaire, maritime et fluviale na APMF. Mirongatra ny antsojay atao amin’izy ireo, noho ny antony samihafa. Miafara amin’ny fandrahonana sy fitsikilovana izany. Anisan’ny hisintonan’izy ireo ny lakolosy ny mahakasika ny fihainoana ny […]




