Nitondra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara teny amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, omaly, ny solontena vaovaon’ny Unicef, Christine Jaulmes. Nandritra ny fihaonana, mbola nanamafy ny fanohanany ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny zon’ny ankizy rehetra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny marefo ity tomponandraikitra ity. Nomarihiny koa fa […]
Taratra
Haintrano tao Vohipeno: nitondra fanampiana ny BNGRC
Tokantrano 292 ahitana olona 1 400 mahery no traboina tampoka sy tsy manan-kialofana vokatry ny firehetan’ny tranon’izy ireo. Antony, ny fidinana an-dalambe nataon’ny vahoakan’i Vohipeno nanerena ny mpitandro ny filaminana hamoaka ilay lehilahy voalaza fa namono ny sakaizany. Tsy nijery ny anton’ny fahamaizana ny fitondram-panjakana fa nidina avy hatrany tany […]
Seces Fianarantsoa: nanamafy fa mitohy ny hetsika fitakiana
Mitohy ny hetsika fitakiana ireo zo aman-kasin’ny mpampianatra natomboka telo volana lasa izay, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Tokony ho efa hifarana ny taom-pianarana 2022-2023 ho an’ny eny Ankatso nefa nanambara ny mpampianatra fa tsy mbola nivoaka ny valim-panadinana ho an’ny lalam-piofanana rehetra. Manomboka kivy ny mpianatra fa ho lasa taona fotsy […]
Napetraka ny tondrozotra hampidinana ny taha: Vehivavy 408 no mamoy ny ainy amin’ny zaza teraka 100 000.
Tokony hahena ho 295 ny isan’ny reny maty ho an’ny zaza teraka 100 000 eto amintsika ary misy ny asa maika hirosoana hanatrarana ny vina napetraka. Manohana ny asa ny mpiray ombon’antoka. 408 ny vehivavy maty eo am-piterahana amin’ny zaza teraka 100 000 eto amintsika, araka ny fanadihadiana EDS 2018. […]
INDRAY MIJERY
Misy fotoana, mihinana ireo vokatra tsy fihinana mahazatra hatao sakafo ny mponina any Farafangana sy Vangaindrano. Matetika anefa ilana fikarakarana manokana izany vao azo hohanina. Rehefa voatery mindram-bola ny fianakaviana, atao antoka matetika ny tany ka lasan’ny mpampanjana-bola ny vokatra ary mety hiafara amin’ny fangalany ny tany mihitsy rehefa tsy […]




