Raikitra ny fifandonana teo amin’ny Tafika sy ny dahalo nandritra ny fanarahan-dia omby halatra, tao amin’ny amin’ny kizon’Andavakomby, afakomaly. Nahitana trangana tsy fandriampahalemana tao amin’ny fokontany Betsako, kaominina ambanivohitr’i Tsingimavo, distrikan’i Morafenobe, ny 9 desambra 2024 teo. Andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no namoaka antsokosoko ny omby miisa 65 tao […]
Taratra
ANAC : Tanjona ny haha matihanina ny zavakanto
Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny “Noelin’ny Anac-A Magical Christmas”. Seho miavaka amin’ny hira sy dihy, niompana indrindra amin’ny fankalazana sahady ny Krismasy no hita nandritra izany. Ireo mpianatra eo anivon’ny Académie nationale des arts et de la culture (Anac) no naneho ny fahaiza-manao sy ny […]
Vondron’ny kandidà any Mahambo : Mitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana
Efa raikitra ny fitakiana sy ny tsy fahafaliana manoloana ny voka-pifidianana. Sambany tao amin’ny kaominina Mahambo no mba naneho ny firaisankinany ireo kandidà avy amin’ny firehana samihafa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Anisan’ny niombon-kevitra sy niara-dia amin’ny kandidà tsy miankina ny kandidà laharana faharoa, avy amin’ny antokon’ny fitondrana Irmar. […]
Baolina kitra –« U15 Océan Indien » : Nomontsanin’ny Barea ny ekipan’i Seychelles
Notontosaina, omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus by-pass, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy. Nisongadina tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy, lehilahy sy vehivavy, samy nanamontsana ny ekipam-pirenen’i Seychelles, tamin’ny isa 7 no ho 0 avokoa. Nanaovan’izy ireo fampisehoana ny fihaonana. Porofon’izany […]
INDRAY MIJERY
Vita, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana ireo « malette pédagogique spéciale autisme » ho an’ ireo sekoly miisa dimy ao amin’ny faritra Anôsy. Fitaovana manaraka ny fenitra entina hanabeazana sy hitaizana ary hampivoarana ireo ankizy hafakely rehetra izany. Sekoly manokana na “école spécialisée” ary sekoly mampiaty na “inclusive” no notolorana ity […]