Hatramin’izao, tsy mazava be ihany amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena ity hoe fikaonandoham-pirenena. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokontany? Izay vao miakatra eny amin’ny kaominina, distrika, Faritra… Amin’ny fomba ahoana na iza no hikarakara, iza no handray anjara… ? Zavon-tany ny fanontaniana. Mila valiny, fanazavana.. Ndrao izay hatao hamahana olana indray no […]
Taratra
Fandaharanasan’ny Fanavaozana : Hanohana ara-bola ny Sadc
Noraisin’ny minisitry ny Fanavaozana ny Repobika, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ireo iraky ny Sadc tarihin’i Joey Bimha teny Antaninarenina, ny zoma teo. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo ny fikaonandoham-pirenena. Nampahafantarin’ny minisitra tamin’ireto iraky ny Sadc ireto ny tetibola ilain’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena. «Nangataka ny tetibola ilaintsika momba izany […]
Kick Boxing: Lany ho filohan’ny federasionina Rafidison José
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing. Lany ho filoha Rafidison José. Nafanafana ny fifidiananana natao teny Mahamasina ary naharitra ora maromaro mihitsy izany. Ligy 14 no tonga nanatrika sy nandatsa-bato. Rehefa vita ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy rehetra, nirosoana ny fivoriambe sy […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny Valahara FC Vakinankaratra. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe 2026. » Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Camp Nou, Espaina, ny fihaonanan’ny FC Barcelone sy ny […]
Rugby – Top 12 : Hiady tsy ho gisitra ny Savony sy ny Besetroka
Hotanterahina alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12”. Hanamarika izany ny fifandonan’ny STM (Savony) sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Hangotraka ny fihaonana satria hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Raha tsiahivina, mitana ny rambony ny Savony raha […]




