Taratra

Tetikasa “Avotse”: Nitsidika distrika telo ny mpamatsy vola

Nitsidika ny dis­trikan’ Amboasary, Ambovombe ary Ampanihy ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina, ao anatin’ny tetikasa “Avotse”. Tanjon’ny tetikasa ny hanamafy ny fahafaha-miarin’ny mponina manoloana ny haintany sy ny vokatra entin’izay any atsimon’ny Nosy. Nidina teny ifotony ireo tomponandraikitra nizaha ny zava-misy taorian’ny haintany nitranga ny volana oktobra 2024 izay narahana rotsakoranabe […]

Oniversiten’Antananarivo : Nandray ny andraikiny ny filoha vaovao

Notanterahina teny Ankatso ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo teo aloha, Pr Ravelomanana Mamy, sy ny filoha vaovao voafidy, Pr Titulaire Randrianasolo Rivoarison. Nankasitraka ny filohan’ny oniversite teo aloha tamin’ireo fampandrosoana vita rehetra ny filoha vaovao. Mandroso hatrany no filamatra, hoy izy, ary hotohizana ny lalana nety sy nahasoa. Tombontsoa […]

MTEFoP-FMFP : Nohamafisina ny fiaraha-miasa

Sehatra tena mila tohana ny fampiofanana arakasa sy ny sehatra madinika manomboka miarina eto Madagasikara. Izany indrindra no imasoan’ny minisitera sy ny FMFP amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa. Natao tamin’ity herinandro ity ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana (MTEFoP) sy ny Tahirim-bolam-panofanana matihanina malagasy (FMFP). […]

Minisitra Sahondrarimalala: “Mahaleo tena ny fitsarana…”

Nanazava ny momba ny raharaha namoahana am-ponja ny vadin’ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny minisitry ny Fanabezam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nanteriny fa efa mazava ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. “Nibaiko ny fampanoavana ny minisitry ny Fitsarana mba tsy hanohitra, hanao “Opposition” ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpamoaka didy raha nangataka fahafahana vonjimaika, […]

Famerenana ny “Iles Eparses”: Mitaky paikady diplaomatika matotra ny MMM

Nanao fanambarana, ma­noloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko Ma­­lagasy miara-miainga (MM M). Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ireo Nosy Malagasy. Namba­ran’ity antoko ity fa manana zo hitsidika ny “Iles Eparses” ny mpitondra amin’ny maha frantsay azy. “Tsy vahaolana anefa izany… Vahaolana avy aminay ny hametrahana paikady diplaomatika […]