Taratra

Razakarisoa Patrick: « Mbola betsaka ny ezaka mila atao amin’ny taranja ping pong »

Fanadihadiana manokana mahakasika ny taranja ping pong natao tamin’ny tale teknika na­sionalin’ny tenisy ambony latabatra, Razakarisoa Patrick. Maro ny asa mbola miandry, raha ny filazany. “Mbola betsaka ny eza­ka mila atao satria mivoatra be ny tontolon’ny fanatanjahan­tena amin’izao fotoana izao”, hoy Razakarisoa Patrick, DTN ny taranja ping pong, anivon’ny Federasiona malagasin’ny FMTT, omaly. […]

Fampiofanana araka asa : Mianatra ny modely 3FPT i Madagasikara

Noraisin’ny tale jeneralin’ny Fonds de financement de la formation professionnelle, Dr Babo Amadou BA, sy ny ekipany, ao amin’ny foibe any Sénégal ny delegasiona malagasy. Nitarika izany, tany an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Harisoa­ma­narivo Angelico Ennodius, izay nisolo tena ny minisitra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra […]

Jirama : Mitaky ny hanalana ny tale jeneraly ny mpiasa

Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan’ny Jirama. Araka ny loharanom-baovao, takin’izy ireo ny handraisan’ny fanjakana fepetra amin’ny tale jeneraly sy ny tale miisa telo akaiky azy. Antony, leo ny mpiasa satria mangataka fa­nemorana foana ireo mpitantana rehefa hangatahana fi­haonana. Raisin’izy ireo ho tsy fahaiza-mitantana izany, toy ny tsy fisian’ny rafi-pitantanana […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : Nizarana traikefa ireo eny ifotony

Nambaran’ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Ramaroson Miary, fa mitohy ny fifampizarana traikefa. Efa nisy ny fiofanana teo aloha momba ny fiatrehan’ny tanàna sy ny kaominina ary ireo minisitera samihafa ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. “Miditra amin’ny fampiofanana sy […]

Fitsidihana tampoka nataon’ny minisitra : Nakatona ny fonjan’i “Maputo” eny Antanimora

Nisy ny fitsidihana tampoka nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Bejamin Alexis, teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly maraina. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izao fidinana ifotony izao. Anton’ny fitsidihana tampoka ny fijerena ny fom­ba fiasa sy ny lesoka amin’ny fitantanana ity fonja ity. Hijerena koa ny ahafahana manampy ireo mpandraha­rahan’ny fonja amin’ny […]