Mitohy hatramin’ny anio, ao amin’ny KSLMD Andrainjato, Fianarantsoa, ny fihaonambe isan-taona tanterahin’ireo vondron’ny mpampianatra raikitra sy mpampianatry ny oniversite manerana an’i Madagasikara (CPTPUM). «Ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra marolafy sy ny fahitsiana ara-tsiansa ho an’ny siansa sy ny fampandrosoana maharitra ary mampiaty ny rehetra». Io ny lohahevitra iaraha-midinika ao anatin’ny […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Miseho amin’ny endrika marolafy ny fahitana taratra fa misy fampiasana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara. Ny hamongorana ny soritra rehetra manome vahana ny fanerena ny ankizy hiasa anefa no tena tanjona. Lalana iray hahatongavana amin’izany ny fanarenana ny sosialim-bahoaka sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Manentana hatrany ny Malagasy […]
Japon/JOCV : Mpilatsaka an-tsitrapo 2 nahavita ny asany
Mpilatsaka an-tsitrapo roa avy amin’ny Jica (JOCV) nahavita ny asa nanirahina azy ireo teto Madagasikara ary hitodi-doha any Japon amin’izay no nisaoran’ny masoivohon’i Japon, Sem Tojma. Naharitra roa taona izy ireo no niasa teto. Mpiasa an-tsitrapo misahana ny fampandrosoana ny fiarahamonina, tao amin’ny foibem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Analamanga, i […]
Fikambanana Mouvement pour la différence: Nametraka drafitrasa ho an’ny taona 2026-2029
Namaritra ny drafitrasany ho an’ny efa-taona manaraka (2026-2029) ny Mouvement pour la différence (M4D) nitondra ny anarana Autisme Madagascar teo aloha, araka ny fanazavana nentin’ny mpitantana ny fikambanana, omaly. Tanjona ny hampandroso ny fampiatiana ny olona manana fahasembanana sy hafakely eto Madagasikara. Ho voasahana koa ny olona varira, ireo manana […]
TARATRY ny KANTO
« Talim-poezia », iarahana amin’ireo poetan’ny Tsanta. « Tiako sy andrianiko ny teniko sy ny taniko ». Sady lohahevitra izay no fanafohezana ny anarana nosafidian’ny fikambanana. Hanatontosa Antsa tononkalo ravahina hira izy ireo, ny alahady 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora , ao amin’ny efitrano fanaovana fetin’ny Sainte Famille Mahamasina. Poeta am-polony izy […]





