Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo. Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io […]
Taratra
Ho an’ny rasazy : Ilaina ny fidirana anaty Holafitra
Manetriketrika ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona na ny rasazy, amin’ity herinandro ity. Marihina any amin’ny faritra Anosy izany. Lohahevitra voizina maneran-tany ny hoe, Mpampivelona iray tapitrisa fanampiny. Mampiharihary ny tsy fahampian’ny rasazy maneran-tany izany ka anentanana ny firotsahan’ny tanora hiantsehatra amin’izany asa masina izany. Tany amin’ny faritra […]
INDRAY MIJERY
Handray anjara amin’ny tranoheva sy famelabelaran-kevitra mandritra ny FIM 2026, nanomboka omaly hatramin’ny 10 mey, ao amin’ny CCI Ivato, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Amin’ny alalan’ny Ivontoerana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary teknika (CIDST), ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny […]
Dépôt de médicament : Hampitomboina ny traikefa
Haharitra roa herinandro ny fanofanana ireo mpivarotra fanafody na Dépôt de médicament, tanterahin’ny INSPC etsy Mahamasina. Andiany fahafito ny fanofanana, hampitomboana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. Hampanarahana ny toetrandro ny fahalalana manaraka ny fivoaran’ny karazana fanafody amidy sy ny fifehezana ny fitahirizana azy ireny ihany koa. Hanampy ireo mpitantanana […]
Fotodrafitrasa UniPod : Havadika ho asa ny voka-pikarohana
Napetraka ny fotodrafitrasa University innovation Pod (UniPod) ao anatin’ny tetikasa fampifandraisana ny fikarohana eny amin’ny oniversite sy ny toeram-pikarohana amin’ny sehatra tsy miankina, hiteraka asa. Nanazava izany ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, omaly, teny Anosy. « Fotodrafitrasa mipetraka eo amin’ny fitalevan’ny fikarohana […]




