Taratra

Rodorodon’ny tantsaha 2026: Varavarana ho an’ny mpamokatra

Ho lasa mpandraharaha afaka manome lanja sy mampitombo ny fidiram-bolany. Io no tanjona mandritra ny hetsika « Rodorodon’ny tantsaha » andiany fahefatra, atao etsy amin’ ny Kianjan’ ny Makis Andohatapenaka, hatramin’ny 23 aogositra. “Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tantsaha”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, […]

Fahafatesam-biby tany Atsimo : Natsangana ny Task Force hanara-maso

Tsy nahitana soritraretina mampiahiahy na areti-mifindra tamin’ny taovan’ireo biby no­zahana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ekipan’ny minisiteran’ny Fambolena momba ilay tranga nahafatesana biby amam-polony maro tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nifandraika tamin’ny rotsakorana be sy tsy fahampian-tsakafo, ka namparefo ireo biby, no nahatonga ny tranga. Antony nahatonga ireo tomponandraikitra nametraka ny Task […]

TSELATRA

Telo vavy, 17, 16 ary 12 taona, nanavaon’ny fianakaviany filazana fikarohana hitan’ny polisim-pirenena, afakomaly. Nihazo ny tranon’ny namany izy ireo fa tsy nody, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Renim-pianakaviana tsy nahatsiaro tena tam­poka tetsy 67 Ha, omaly. Anisan’ny mpandeha tao anaty taxi-be mampitohy an’Ambohitrimanjaka sy Antananarivo izy. Nentin’ny mpitandro filaminana […]

Tezitra ny mponin’i Toamasina : Mpandraharaha iray karohina

Taorin’ny fivorian’ny solontenan’ny fokonolona ao Toa­masina, nivoaka ny didy fampisamborana ho an’ny mpan­draharaha momba ny vy iray, omaly. Niainga tamin’ny horonantsary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, niakatra ny hatezeran’ny mponina ao Toamasina. Niroso tamin’ny fivoriana ny ankolafim-pikambanana ao an-toerana, tao amin’ny Antenimieran’ny varotra, Boulevard Jouffres, omaly maraina. Voalaza ho naniratsira tamin’ny teny […]