Taratra

Herinandro ho an’ny fahasalamam-bahoaka : Ampiarahana ny fanaovam-baksiny sy ny fora zaza

Tohizana ny ezaka rehetra vita amin’ny fanaovam-baksiny tsy hampidina ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina. 91 ny distrika voakasika fa ny 56 amin’ireo no tena laharam-pahamehana. Natomboka omaly, teny amin’ny CSB II Anosiza­to Andrefana, ny Heri­nan­­dro ho an’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny sy ny he­tsika “fora zaza faobe” miaraka amin’ny minisiteran’ny […]

Mampihena ny entona mpangeja hafanana: Mamokatra arina maitso ny fatana GMDR

Zava-dehibe tao anatin’ny fandaharanasa ny fampiroboroboana ny Transfert de gestion ahafahan’ny Vondron’ olo­na eny ifotony mitantana ny ala eo aminy sy mametraka rafitra fitantanana hanatsarana ny ala, tsy hamotika ny atiala. Voaaro vokatr’izany ny velarana 14 400 ha miaraka amin’ny Vondron’olona ifotony (VOI). Ankoatra izay, misahana ny fampitaovana ireo mpian­tsehatra na […]

Fandaharanasa Afafi-Nord AF: Nitondra tombontsoa ho an’ny olona 6 700, anatin’ny distrikan’Ambilobe

Anisan’ny fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina notontosaina teto amintsika ny Afafi -Nord AF nampiharina tany amin’ny distrikan’Ambilobe nandritra ny enin-taona. Maro ny vondron’olona ifotony nisitraka tombontsoa mivantana Ny Afafi Nord, amin’ny ankapobeny, dia fandaharanasan’ny Vondro­na eoropeanina vatsina amin’ ny alalan’ny 11ème Fed. Ny GIZ no nanatanteraka ny tetikasa, teo anivon’ny Page 2. […]

TARATRY ny KANTO

«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra. Fankalazana ny fiverenan’ny […]