Taratra

FJKM Amparibe Famonjena : Vahinin’ny RFF ny Anjomaran’ny fitiavana Toamasina

Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”. Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia […]

« Festival Sabôtsibe » : Hanasongadinana ny omby

Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. […]

FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo sefo distrika nesorina amin’ny toerana, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia teo. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto, Mahabo, Amparafaravola, Antani­fotsy ary koa ny any amin’ny distrikan’Antambao Manampotsy. Nosoloina koa ny Prefet any Manakara. Hatao eto Antananarivo ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa sy ny […]

Solombavambahoaka teo aloha : Manentana ny Malagasy hanaja ny rafitra sy ny Filoha

Noho ireo fanehoan-kevitra misy any amin’ny haino aman-jery sy miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera, manentana ny vahoaka malagasy ny vondron’ny Solombavambahoaka teo aloha, miisa 32 mianadahy. Avy amin’ny antoko Irmar izy ireo, ary ny hanajana ny soatoavina malagasy, ny filoham-pirenena ary ny rafi-panjakana misy eto Madagasikara no nanaovan’izy ireo antso. Nilaza […]