Taratra

Mandroso mihemotra

  Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mivoaka miditra toa lelon-jaza izay manao fanambarana. Mbetika fotsy, mbetika mainty. Mbetika izaho, mbetika tsy izaho. Mivadibadika toa lela may ireto mpanao politika. Sanatrian-dresaka manao sain-jaza tsy ampy fahamatorana. Mandroso mihemotra amin’ny zotra tiany harahina. Tsy hay ny kajikajy […]

Pnud sy ny MFFT : Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo ben’ny Tanàna

Natao tetsy amin’ny FDL Anosy ny fivoriana momba ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony. Nitarika izany ny avy eo anivon’ny Pnud sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nivoitra tamin’izany fivoriana natao ny alarobia teo izany ny fifampizarana sy fandinihana ny fandrindrana […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja omaly ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany, ny 2 jona lasa teo. Rehefa avy niakatra fitsarana omaly ihany. Nifamaly izy roa ny harivan’ny 1 jona 2025 tamin’ny 05 ora sy sasany hariva teo. Nokasihiny tanana ilay vehivavy ary maty. Nitolo-batana teny anivon’ny zandarimaria Moramanga ny nahavanon-doza ka […]

Voasambotra ny nahavanon-doza : Nopotehina ny lohany, namoy ny ainy ilay ramatoa

Voasambotry ny zandarimaria ny lehilahy namono nahafaty ny renim-pianakaviana iray tao Befanihy, fokontany Ambatofotsibe, kaominina Kiranomena, omaly. Nitranga­na vonoan’olona nahatsiravina tao amin’io tanàna io, ny 2 jona tamin’ny 2 ora maraina. Noratraratrain’ny lehilahy iray teo amin’ny tavany sy ny faritry ny lohany ilay ramatoa 32 taona. Potika tanteraka ny endriky […]

Ankadikely-Ilafy : Mpangalatra moto naiditra am-ponja

Noraisim-potsiny! Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Andombotany, kaominina Anka­dikely Ilafy, ny alarobia 4 jona teo, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Nahatsikaritra tranga hafahafa ny mponina teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny zandary. Telo lahy voalaza fa nanosika moto tao anatin’ny haizina, nifanenjehan’ny zandary. Tafaporitsaka ny roa […]