Tratra ny kamiao iray mpanangona hazoala tsy ara-dalàna miisa 421, tany Ampitambe, kaominina Ambohibary, distrika Moramanga. Fitsirihana nataon’ny Sampandraharaha Ciref/CEF Moramanga no nahatrarana azy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tompon’ny hazo sy ny mpamily ilay kamiao ary nogiazana ny hazo sy ilay fiarabe. Mitohy ny fanarenana ny lalana tena ratsy amin’ny […]
Taratra
Base Toliara : Zana-kazo 20 000 nambolena any Ranobe
Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny orinasa Base Toliara ny 21 febroary teo. Natao tany Ranobe, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II, izany, toerana hametrahana ny foibem-pitrandrahan’ny orinasa. Mitotaly 20 000 ny zana-kazo ka natsatoka tany Belalanda ny 2 000, tany anaty faritra Arovana (AP) Ranobe ny 18 000, nahitana karaza-kazo 21 amina velaran-tany 20 ha. […]
Toe-piainan’ny mponina : Hanomboka ny fanadihadiana
Hotanterahina amin’ity taona ity ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokantrano (EPM) andiany faha-11. Fanadihadiana ahafahana mandrefy ny fivoaran’ny toe-piainan’ny Malagasy manerana ny Nosy eo amin’ny sehatra samihafa izy ity. Ao anatin’izay ny firafitry ny mponina, ny fahantrana, ny fananana asa, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fisitrahana angovo, ny fivelomana, sns. […]
BNI Madagascar-IFC : Manome 30 tapitrisa dolara hanohanana ny fandraharahana
Vonona hamatsy vola hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) ary ireo vehivavy mpandraharaha ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC). Mitentina hatrany amin’ny 30 tapitrisa dolara ny tohana omen’ny BNI Madagascar sy ny Société financière internationale (IFC) hanohanana ireo orinasa tena madinika, madinika ary salantsalany […]
TARATRY ny KANTO
Antsoina hatrany ireo manana tetikasa momba ny zavakanto sy ny kolontsaina, handefa izany amin’ny Commission de l’océan Indien. Misokatra ho an’ireo manam-pikasana hikarakara hetsika ara-javakanto toy ny fifaninanana talenta, foara, festival, fiofanana, atrikasa sns izany. Hovatsian’ny COI ireo tetikasa mahaliana, anatin’ny fampivoarana ny indostrian’ny kolontsaina sy ny famoronana. Manana hatramin’ny […]