Taratra

Fihaonana an-tampony : Manohana ny dingana fanavaozana ny SADC

Nankasitraka an’i Madagasikara ny Fihaonana an-tampony faha-46 nataon’ny vondrona SADC tany Durban, Afrika Atsimo, ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanambarana nampitainy, voaray omaly. Noho ny fahombiazan’ny fifampidinihana, eo ambany fiahian’ny vondron’ny olobe eo anivon’ny SADC izany. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Vondrona mpanolotsaina momba ny fanelanelanana sy ny sekretarian’ny SADC ihany […]

TSELATRA

Tafatsoaka ny jiolahy nikasa hanao fanafihana tao amin’ny tokantrano iray teny Ambohijanaka, ny 17 aogositra lasa teo. Notapahin’ireo olon-dratsy ny vy fiarovana tamin’ny tamboho, saingy tsikaritry ny tompon-trano izany. Nampan­dre ny mpitandro filaminana ireto farany ka nandositra ny mpandroba. Olona roa namoy ny ainy nandritra ny lozam-piarakodia teny amin’ny RN2, […]

Notafihin’ny jiolahy : Mpanangona kafe voaroba 3 tapitrisa Ar

Lasan’ny olon-dratsy ny lelavola mitetina 3 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasamadinika, distrikan’i Vatomandry, ny 11 aogositra lasa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-tsokosoko tao amin’ny efitrano nisy ny raim-pianakaviana mivelona amin’ny fanangonana kafe ny jiolahy. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, nanapoaka ny basy ny olon-dratsy […]

67 Ha : Roa lahy voasambotry ny miaramila

Vehivavy iray mpiray tsikombakomba sy mpanendaka roa lahy voasambotry ny miaramila mpanao fisafoana alina teny amin’ny faritry 67 Ha, omaly maraina. Voaroban’ny olon-dratsy ny finday teny amin’ny olona roa, tamin’io andro io. Niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny mpitandro filaminana niatrana an-kianja. Voasambotra ny roa lahy ahina ho […]

Antananarivo Renivohitra : Lozam-pifamoivoizana 21 tanatin’ny herinandro

Olona iray namoy ny ainy tamin’ireo lozam-pifamoivoizana 21 niseho tao anatin’ny herinandro, teto Antananarivo Renivohitra. Olona 20 naratra. Namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teto amin’ny tanànan’ Antananarivo, nanomboka ny herinandro ny 10 ka hatramin’ny 16 aogositra lasa teo. Mateti-pitranga ny loza an-dalambe tato ho ato, araka ny tatitra voaray […]