Taorian’ny fanokafana ny fihaonambe “Madagascar Dubaï Business Forum”, izay atao any Dubaï, Emira Arabo Mitambatra, nihaona manokana tamin’ireo sehatra tsy miankina, tao amin’ny Dubaï Chambers ny filoha Rajoelina Andry. Naharitra adiny roa mahery izany ary nisy ny fifanakalozana, fifampihainoana, fifampiresahana malalaka teo amin’ny fanjakana malagasy sy ireo sehatra tsy miankina […]
Taratra
Fitantanana orinasa : Mahomby ny fananana toe-tsaina miabo
Fahombiazana. Maherin’ny 30 ireo mpitantana orinasa sy mpandraharaha nandray anjara tamin’ny «Fihaonan’ny mpitantana » andiany faharoa, ny 10 mey, teny amin’ ny Hôtel 5 étoiles Ivato, nokarakarain’ny agence Nexacom, tohanan’ny Yas Madagascar. Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozana ny fomba fampiasana ny teknolojia eo amin’ny fandraharahana sy ny anjara andraikiny amin’ny fampandrosoana ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Fantatra ny fandaharan-dalao, ho an’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Mongolie, ny volana jona izao. I Italie no hihaona voalohany amin’ny sokajy vehivavy, ny 23 jona. I Belgique kosa no hifandona voalohany amin’ny lehilahy. Hatao ny 4 jona, eny amin’ny biraon’ny ligin’Analamanga Ampefiloha, […]
Handball – “IHF Trophy 2025”: Tsy tonga tamin’ny ora farany i Tchad
Nanomboka omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny “IHF Trophy”, taranja handball, sokajy zandriny U17 sy U19, ho an’ny faritra faha-7. Lalao roa ihany no tontosa raha efatra no voalahatra. Antony, tsy tonga tamin’ny ora farany i Tchad, izay tokony ho nifandona tamin’ny Akio de […]
Fibatana fonjamby: Tapa-kevitra ny hijanona i Tojo
Ofisialy! Tsy ho anisan’ny atleta eo amin’ny taranja fibatana fonjamby intsony Andriantsitohaina Tojo, Malagasy mpibata fonjamby. Nambarany, omaly, fa hijanona izy ary hanome sehatra ireo taninketsan’ity taranja ity amin’izay. Fotoana izao, hoy i Tojo, hanomezana ny fanalahidy ho an’ireo zandry, mba hahafahan’izy ireo mamaritra ny hoaviny. “Maro ny zava-bita fa […]




