Feno zato andro, omaly, ny nitantanan’ny ben’ny Tanànan’ny kaominina ambonivohitra Mahanoro, faritra Atsinanana, Randriantsarafara Elio. Nifanarahana tamin’ny vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra ny fanaovana tatitra isaky ny zato andro. Koa nisy ny fifanakalozana ny ezaka vita sy ny mbola hatao amin’ny zato andro manaraka: ny fanatsarana tsena, ohatra. Hetahetan’ny mponina amin’ny fokontany […]
Taratra
Rabary Paul : “Hita eo amin’ny sehatra politika ny fampiasana herisetra”
“Amin’ny ankapobeny, zatra mampiasa herisetra hahazoana mamaha olana… Na eo amin’ny fitaizana ankizy mbola kely izany, na eo amin’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, na eo amin’ny disadisa eo amin’ny fiarahamonina… “. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny Fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloana ny firongatry ny fanaovana herisetra etsy […]
Mila mihenjana
Aleo aloha mba hiresaka fanabeazana ny kilonga indray isika, anio. Niparitaka be tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny mpianatra vao herotrerony manao firaisana ankalamanjana. Nanaparitaka izany hatramin’ny kaomandin’ny zandary avy amin’ny vondrom-paritra Antananarivo. Na ny mpanao gazety naka ny sary aza mbola nidonaka, mialoha ny sintona lakolosy. Miantefa amin’ny sokajin’olona maromaro […]
Faritra Analamanga : Nampiofana ireo ben’ny Tanàna miisa 140 ny MFFT
Tanterahina nanomboka ny alatsinainy teo, hatramin’ny anio, ny hetsika fampiofanana ben’ny Tanàna, ataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Miisa 140 ireo ben’ny Tanàna tonga niofana tamin’izany. Araka ny vaovao voaray, avy amin’ny distrika fito, amin’ny faritra Analamanga, izy ireo. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo […]
TSELATRA
Tsy fanarahan-dalàna. Moto enina miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny Ambohijatovo, naiditry ny polisy am-balam-pamonjana, omaly. Tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana tahaky ny nataon’ireo mitondra moto enina tratra ireo matetika no mitarika ny loza an-dalambe. Tafaverin’ny mpitandro filaminana tamin’ny tompony ireo omby fito lasan’ny jiolahy tany Maevatanàna. […]




