Maty voatifitry ny polisim-pirenena avy ao Vatomandry, omaly maraina, ny jiolahy iray 31 taona, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ravoalavo. Efa ela nokarohina noho ny halatra sy fikambanan-jiolahy ity olon-dratsy ity ka izao tratra sy lavon’ny bala izao. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny alatsinainy lasa teo izy ary notanana teny anivon’ny […]
Taratra
Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra
Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]
Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo
Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]
Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des champions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry […]
SOMBIM-BAOVAO
Anisan’ireo mpilalao tonga namonjy ny fampivondronan’ny Barea Chan, omaly, tetsy Mahamasina, i Arohasina Andriamirado na i Dax. Nilaza ny tenany fa tombony lehibe ho an’ity ekipa nasionaly ity ny fifangaroan’ireo mpilalao zandriny vao hiantsehatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ireo efa voky traikefa tahaka azy. Nambarany koa fa mbola vonona tsara […]




