Taratra

Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky

Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody […]

“Dubaï Business Forum”:  Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha

Tanterahina any Dubaï, manomboka anio hatramin’ny 28 mey 2025 izao, ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubaï Business Forum ». Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Emirati sy Malagasy, any an-toerana mandritra izany. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Izy izay hametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny […]

Toliara: Tanora mandahatra ny hoaviny

Manana ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana ny tanora. Nisy ny fanofanana azy ireo tany Toliara mba hahay andray andraikitra sy mitantana, handaminany ny hoaviny. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Toliara ny « Youth con­nekt Madagascar » na tanora mandahatra ny hoaviny. Manohana azy ireo amin’izany ny fandaharanasa Fiha­riana, ny Pnud, ny UNFPA, […]

INDRAY MIJERY

Halefaka ny tsiokan’ny varatraza ato anatin’ny telo andro sy ny fiafaran’ny herinandro. Varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona any Avaratra atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hiverina ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka Atsinanana. 8- 26°C ny maripana ny maraina ary eo […]

Fitantanana loza sy tandindon-doza : Mifanakalo traikefa i Madagasikara sy i Tchad

Tonga maka traikefa eto amintsika mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny firenena Tsa­dianina. Amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Fiaro­vana sivily (DGPC), notarihin’ny tale jeneraliny, Zenab Mahamat Adoum, sy ny mpanolotsaina teknika, ny Lt Co­lonel Gérard RE, ary ireo mpiara-miasa aminy no nanatanterahina izany. Mbola vao roa taona […]