Taratra

FANTINA sy FINTINA

Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io. Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny […]

Raharaha “Kaominina Talata Volonondry” : Miantso ny filankevi-panjakana ny depiote Avotra

Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andria­mosasoa Avotra, oma­ly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny […]

Tsy maintsy mitandrina

  Mampihoron-koditra ny vaovao miely etsy sy eroa. Isan’andro vaky no ahitana razana etsy sy eroa. Misy ny maty ho azy, maro ny misy mamono, manginy fotsiny ireo lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Tena tsy misy fotoana mampidina ambany ny tahan’ny olona maty. Raha vao manokatra ny tambajotran-tserasera izany moa dia saika […]

Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »

Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao. Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao […]