Taratra

Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”

Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy. “Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy […]

TSELATRA

Mitaraina noho ny famindran-toerana tampoka ireo zandary sasantsasany amin’izao an-katoky ny fety izao. “Fotoam-pialantsasatra lehibe vao tokony hisy ny famindran-toerana”, hoy ny solontenan’izy ireo. Miko­rontana vokatr’izany, ny fianan’ny zanak’izy ireo izay mbola mandranto fianarana. Miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny zava-misy izy ireo. Nampisavoritaka ny sain’ny mponina eny Tsiadana ny […]

Nivarotra rongony : mpivady niara-voasambotra

Voatazona eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray mpamerin-keloka amin’ny fivarotana rongony tao Talata Volonondry, ny 13 desambra teo. Naharay fitarainana avy tamina olon-tsotra ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana. Voalaza fa misy mpivarotra rongony ary hiangonan’ireo mpidoroka ao amin’ny tokantrano iray ao amin’ny tanànan’i Maha­variana. Natao ny fisavana, […]

Nikasa hanolana : Jiolahy tratra nitrotro ankizivavy

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nikasa hanolana ankizivavy 4 taona tao amin’ny fokontany Ramena, Antsiranana II, afakomaly. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ramena ny zandary avy ao amin’ny borigady Antsiranana momba ny fisian’ity tranga hafahafa ity. Voalazan’ny tatitra fa hoe niditra an-keriny tao amina tokantranon’ny renim-pianakaviana iray ity […]

Fanendahana sy fanafihana : Jiolahy telo matin’ny polisy tetsy Ambondrona

Raikitra ny fifanenjehana sy fifanjevoana, omaly folakandro, tetsy Ambondrona. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy miisa telo, sady mpanendaka no mpanao fanafihana mitam-basy. Namoy ny ainy avokoa ireo telo lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenena teny Ambondrona, omaly tolakandro tamin’ny 2 ora. Narahin’ny polisy maso akaiky ireo jiolahy efa noahiahina ireo. “Niainga teo […]