Nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP Ankofafa ny lehilahy nanolan-jazalahy 12 taona tao Fianarantsoa, omaly maraina. Nanaovan-drangahy ny filan-dratsiny ilay zaza tsy manan-tsiny tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mody nilaza hitady ny renin’io zaza io ity lehilahy nahavanon-doza ity ka niditra ny trano. Ny renim-pianakaviana izay tsy tao an-trano […]
Taratra
Fiara tapaka hisatra : Mpandeha 4 namoy ny ainy, 34 naratra
Olana tampoka teo amin’ny hisatra, nitarika loza ka namoizan’aina olona efatra, tao Ambalavaokely, PK419+100, afakomaly. Tsy tana ny ain’ny efatra tamin’ireo mpandeha tra-doza tao anatin’ny fiara nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK419+100, tao amin’ny tetezan’Ambalavaokely, distrikan’i Vohibato, afakomaly. «Tsy nahazo tampoka ny hisatra tamin’ilay fiara. Anisan’ny nitarika ny loza», hoy […]
CENHOSOA : Mankalaza ny faha-135 taona nijoroany
Nanatanteraka fihaonana tamin’ny mpanao gazety ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny hopitaly miaramila (CenHoSoa), ny zoma lasa teo, mahakasika ny fankalazana ny faha-135 taona nijoroan’ity toeram-pitsaboana ity. Nambaran’ny tale jeneralin’ny CenHoSoa, ny Profesora Jly Ratovondrainy Willy fa hankalazaina amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany tsingerin-taona miavaka izany. Anisan’izany ny hetsika momba […]
INDRAY MIJERY
Delegasionina malagasy miisa 20 no miofana any Chine. Mahakasika ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny mitondra vohoka sy ny zaza ary ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza amin’ny ankapobeny. Ireo no nodinihina ka andraisan’ny firenena Afrikana miisa 8 anjara. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo, tao […]
Ady amin’ny aretina homamiadana: Mijoro ny fikambanana Espoir Rose
Nampahafantatra ny fijoroany ny fikambanana Espoir Rose, omaly, amin’ny ady ataony amin’ny aretina homamiadana izay mandemy ny maro amin’izao fotoana. Manana ny vina sy hetsika maro ho fanohanana ireo olona voan’ny homamiadana ny fikambanana. Zava-dehibe ho an’ny marary ny fanehoana firaisankina, ahatsapany fa tsy irery izy ireo. Misy ny fiaraha-miasa […]





