Roa sosona ary goavana ny asan’ny fanjakana ao Amoron’i Mania. Fotodrafitra roa ho an’ny mpianatra samy hitondra fampandrosoana sy vokatra tsara ho an’ny fampianarana ambony. Naorina ao Vatovory, Ambositra, ny ivontoerana fikarohana mahakasika ny vaksiny ka notokanana ny faran’ny herinandro teo ho am-perinasa avy hatrany. Miara-miasa amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny […]
Taratra
Poopy sy Johary : Nanjaka ny tsikombakomba an-tsehatra
Feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly… Tsy izay fotsiny anefa no nitarafana ny fahombiazan’ilay seho «Kanto mifameno», fa ny fisongadinan’ilay tsikombakomban’i Poopy tamin’ny tarika Johary teny an-tsehatra, izay namoaka ilay lohahevitra. Kely loatra indray aza ny efitrano raha ny haben’ny seho sy ny lazan’ireto tarika roa tonta ireto no hamaritana […]
Boky mirakitra tononkalo: Namoaka ny « Miaka-bolana » i Faniry Hantarinivo
Tontosa ny zoma 14 aogositra teo, tao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy ny famoahana ny boky «Miaka-bolana» mirakitra tononkalo nosoratan’i Faniry Hantarinivo. «Tononkalo nosoratana fony mbola zaza ka hatramin’ny roa volana lasa no ao anatin’ny « Miaka-bolana » », hoy izy. Tononkalo itoeran’ny fanantenana, fotoana mampamelana ny voary, hananana fijery miabo hatrany amin’ireo tranga tsy […]
Om-Gui: Tsy maty am-pon’ny mpankafy…
Ny mpanakanto, hono, tsy mba maty, fa velona mandrakizay amin’ny alalan’ny sanganasany. Voaporofo izany raha hiresaka an’i Om Gui, satria dia manjohy ny tarika Ny Ainga eny hatrany ireo mpankafy, 10 taona taty aorian’ny nahalasany. Fanomezam-boninahitra ity mpanakanto nanangana ny tarika Ny Ainga ity, ilay seho notontosaina tao Antsahamanitra, omaly. […]
« Star Tour Mahajanga 2026 »: Be mpankafy i L Jo, tsy lefy laza ry AmbondronA
Nokendren’ny Star ho roa andro mafana indrindra ny teny amin’ny Bord Mahajanga. Lanonambe ho an’ny mpianakavy, niaraka tamin’ny fampisehoana goavana izany. Tsy nisy nodiavina. Rakotra olona nanomboka teny amin’ny Baobab lehibe, hatrany anoloan’ny Chambre de Commerce Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Angamba mbola ny « Star Tour » ihany no nahavory olona […]





