Taratra

Papa Leon XIV: “Mbola maro ny fifandirana”

Notanterahina ny alahady teo ny fankalazana manetriketrika ny sorona Masina fametrahana an’i Papa Léon XIV amin’ny toerany. Natao tao amin’ny Kianjan’i Md Piera izany. Niatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’izany. “Mbola maro ny fifandirana, ny ratra vokatry ny fankahalana, herisetra, […]

Teknolojia: tonga eto amintsika ny AI4Good Festival

Handray anjara amin’ilay fifaninanana irasaim-pirenena IA4GOOD Festival i Madaga­si­kara. Fifaninanana ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) natokana ho an’ny tanora 12 ka hatramin’ny 25 taona. Hifantoka amin’ny fa­moronana horonan-tsary fohy 1-2 minitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny IA ny lalao. Hivoitra ao anatin’izany ny tetikasam-panabeazana, ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny […]

Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely

« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy oma­ly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka […]

Faritra Fitovinany: nojerena ifotony ny fiahiana sosialy

Tontosa ny fidinana ifotony nijerena ireo sehatra fiahiana ara-tsosialy tanterahin’ny ONG Tanintsika tao amin’ny kaominina Ambila. Nanatanteraka izany ireo tomponandraiki-panjakana ao anatin’ny faritra Fitovinany, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), notarihin’ny solontenany voalohany eto Madagasikara, i Tania Goossens. Tetikasa miisa roa no notsidihina tamin’izany: […]

Lehiben’ny ivontoeram-pikarohana: nanomana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc

Nihaona sy nifanakalo hevitra ireo tale sy lehiben’ny sampandraharahan’ireo ivontoeram-pikarohana sivy eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ranarijaona Hery Lisy Tiana. Natao hanatanterahana ny vinam-pampandrosoan’ny Filoham-pirenena sy ny toromarika avy amin’ny minisitera ny fivoriana. Mikendry ny hanomanana […]