Taratra

Fifidianana ben’ny Tanàna : Efa afaka maka ny anto-bolany ireo kandidà

Efa nivoaka ny fanapahana ahazoan’ny kandidà ny anto-bolany tamin’ny niatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ny 11 desambra teo. Tsy ny rehetra anefa no hisitraka izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny minisiteran’ny Ati­tany fa efa tokony haka ny anto-bolany ireo kandidà tamin’ny fifidianana farany teo. “Efa azo alaina any […]

TSELATRA

Karohin’ny mpitandro filaminana ny mpitarika ao amin’ny toeram-pivavahana iray any Manerinerina, faritr’i Boeny, amin’izao fotoana izao. Hanenjehana azy ny fanararaotana ara-nofo ataony amin’ny vehivavy tonga miangona ao aminy. Lasibatr’izany avokoa na vehivavy efa manambady na tsia. Efa ravan’ny mpitandro filaminana kosa ilay toeram-pivavahana. Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’iny RN1 iny, […]

Tsaratanàna : Ankizy telo maty tao anaty lavadrano

Ankizilahy telo, maty latsaka tao anaty lavadrano, tao Ma­nonga Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly maraina. 4 taona ny roa tamin’ izy ireo, ary telo taona kosa ny iray. Nilalao teo amoron’ilay la­vadrano, metatra vitsivitsy miala ny trano fonenany ao Antongomena Manon­ga, izy telo lahikely ireo. Nibo­lisatra noho ny halaman’ny toerana, raha […]

Maty tsy tra-drano: Mpiambina trano voatsatoka antsy

Nisy vonoan’olona mahatsiravina tao Salazamay, parisela 14/21, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 15 mn. Tovolahy mpiambina tanàna ana teratany frantsay saika hidiran-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Niantso vonjy ilay mpiambina. Vokany, notsatotsatohan’ireo jiolahy antsy izy ka maty tsy tra-drano. Na teo aza izany, tsy tafiditra […]

Mpisandoka ho mpampitombo vola : Milaza ho misy kalanoro, lehilahy iray nosamborina

Voasambotry ny zandary, omaly, ny raim-pianakaviana iray milaza ho mpampitombo vola. Mandroboka ny lasibatra amin’ny resaka kalanoro izy. Voasambotry ny zandarimaria ao Amborovy, omaly maraina, tany an-toerana, ao antampon-tanànan’i Mahajanga, ny lehilahy iray misoloky ho kalanoro. Mi­vondrona ao anaty tambajotrana Dadibe na kalanoro izy io. Lasibatra tamin’ny asa ratsiny ny […]