Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 Jirama ao Ambohimanambola. Maloka ihany koa ny andro ka tsy feno ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokany mihena hatrany amin’ny 20 MW ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambazotra […]

Ampitambe Moramanga : Mponina 2 730 misitraka rano fisotro madio

Avy ao amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Amba­nivohitra Ambohibary, Distri­kan’i Moramanga ireo mponina nahazo tombontsoa, taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa fa­matsian-drano avy amin’ny toerana avo (AEPG) novatsian’ Am­batovy vola. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra tany an-toerana ny fotodrafitrasa vaovao. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny ezaka ataon’Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina […]

Famatsiana solika: Miantsona eo amin’ny PTP ny sambo TORM EVA

Tapaka taorian’ny dinika nataon’ny Ofisy malagasy mi­sahana ny Akoranafo (OMH), ny Galana Raffinerie Terminal (GRT) ary ny Plateforme Terminal Pétrolier (PTP) fa hiditra amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sambo lehibe Torm Eva, mpitatitra soliky ny Groupement Pétrolier Mada­gas­car (GPM). Fepetra noraisina sy nihatra avy hatrany ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. […]

Tanà Medium Ring 90 kV : Hanohana ny famokarana herinaratry ny RIA

Hanohana sy hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tetikasa Tanà Medium Ring 90 kV. Miisa 8 ny tobim-pamokarana herinaratra hatsangana eto Antananarivo sy ny manodidina. Notanterahina ny zoma teo, ny tombana mialoha ny fanatanterahana ny « Tanà Medium Ring ». Fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo manampahaizana teratany sinoa, tomponandraikitra malagasy […]

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hananganana ny « Fahefana avo ho an’ny Fanavaozana – HAR », ny antoko Kintana, araka ny nambaran’i Christian Tabera, ny asabotsy teo. Niantso ny filoham-panjakana ny tenany mba handrava ireo Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimieram­pi­renena. « Tsy azo antoka intsony ny satan’ireo depiote ka soloina rafitra vaovao », hoy izy. Nanolotra vola 20 […]