Ho fitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe, ho fanomezana fahazai-manao ireo Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) miisa 3 173 sy ny vahoakan’i Mahabo miisa 2 679, natomboka ny faran’ny herinandro, tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny fampiofanana. Hiarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana manatanteraka. […]
Taratra
CNELA 50 taona: mpianatra 155 notolorana mari-pahaziana
Ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy (Cnela), nisy ny fizarana mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny herinandro lasa teo. Mpianatra 155 nahavita fianarana ny taona 2024 no notolorana izany. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Cnela. Ahitana […]
Rivodoza Chido: Tsy namela takaitra ho an’ny mponina
Tsy misy ahina intsony ny fiantraikan’ilay rivodoza Chido amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Madagasikara, nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanazavana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy naharay fanambarana fahasimban-javatra ny teny anivon’ny BNGRC hatramin’ny faran’ny herinandro, araka ny tatitra navoakany fa misy kosa ny […]
Hivory ny mpisehatra voakasika : hotombanana ny fandaharanasa ho an’ny fanabeazana
Sady hanombana ny asa rehetra vita ho an’ny fanabeazana nandritra ny taona 2018-2023 ny mpivory no hamolavola ny drafitrasa vaovao hifanaraka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafitry ny fanabezana (Losem). Hotontosaina eny Ivato ny tombana momba ny Teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PSE) nampiharina ny taona 2018-2023, teto […]
Baolina kitra U20 : Tompondaka ny Disciples FC Espoir
Notanterahina teny amin’ ny Kianja Elgeco Plus ny andro famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Poule des As”, sokajy zandriny U20. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Disciples FC Espoir Analamanga, ary nahazo lelavola 8 tapitrisa Ariary izy ireo. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny klioban’ny […]