Taratra

Afrobasket – U18 zazalahy : Faha-7 amin’ny ekipa 12 ny Ankoay Madagasikara

Teo ho eo ihany ny dingana vitan’ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny «Afrobasket », sokajy U18 lehilahy. Nitana ny laharana faha-7 ny Malagasy, nandritra izany. Fandresena telo sy faharesena telo ny vokatra azon-dry zalahy. Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Tchieville Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny «Afrobasket», sokajy U18 lahy […]

Fiaraha-miasa: Mizara traikefa amin’ny tafika malagasy ny Indianina

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Inde, araka ny lahatenin’ny mpirakidraharaha, mpisolo toerana eo anivon’ny masoivoho Indianina, Mohit Kumar. Ni­voitra izany tamin’ny lahateniny tamin’ny fanamarihana ny faha-80 taonan’ny Faha­leovan­tenan’i Inde, nanao teny Marais Masay sy tetsy Ankorondrano ny sabosy teo. Notanisainy tamin’izany ny fanohanan’ity firenena ity an’i Madagasikara. «Ao […]

Fanavaozana sy tombontsoa manokana : Mizara ny hevitry ny depiote ao Tsimbazaza

Mizarazara ny solombavambahoaka ao Tsimbazaza, ankehitriny. Misy ny mitaky ny fanavaozana tanteraka, ho an’ny tombotsoam-bahoaka. Misy ny mivadibadi-kevitra noho ny tenany manokana. Mifanalavitra ny fampanatenana sy ny asa vita. Samy manana ny heviny manoloana ny toe-draharaha politika misy ankehitriny ny solombavambahoaka ao Tsimbazaza. Raha nijoro ny komity manohana ny fana­vaozana, […]

TSELATRA

Lahiantitra 73 taona naiditra am-ponja rehefa nanolan-jaza tsy ampy taona tao Mangarivotra Tsi­roanomandidy, ny zoma 14 aogositra teo. Olona maro efa lasibatr’io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Lavon’ny balan’ny polisy ny dahalo iray tao Andohaogny, kaominina Nandihizana, ny farany herinandro teo. Enin-dahy nangalatra omby ka natao fanarahan-dia. Nandositra […]

Vatobe-67 Ha : Lehilahy voatsindrona antsy, namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray naratra mafy voatsindrona zava-maranitra teny amin’ny Vatobe-67 Ha, afakomaly. «Nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny an-toerana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompondraikitra miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nisehoana tranga hafahafa teny 67 Ha ny harivan’ny sabotsy 15 […]