Taratra

« Yas Semi-marathon 2025 »: hisy ny fifaninanana 10 km natao ho an’ny rehetra

Afaka andro vitsy, hiatrika lalao eny amin’ny arabe an’Alarobia ireo mpitia ny taranja hazakazaka, « Sémi-marathon ». Hiavaka ny hetsika, hisy ny fifaninanana 10 km izay natao ho an’ireo tsy manana kara-pilalaovana. Hotanterahina eny amin’ny Kianja Alarobia, ny 25 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Yas Semi-Marathon”, andiany […]

Indray mijery

Nasongadin’ny kolonely Faneva, lehiben’ny vondron-tafika zandarimaria ao amin’ny faritra Menabe, fa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa dia nanao ezaka lehibe tamin’ny fanarenana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsosialy tany an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ho an’ny tanora, anisan’izany ireo dahalo, no nahafahan’ny minisitera nanampy tamin’ny fametrahana fahaiza-manao […]

Toetry ny andro an-dranomasina: hahery ny alondrano anatin’ny roa andro

Tombanana hitoetra hatrany ny alondrano avy any atsimo andrefana, ato anatin’ny roa andro manaraka. Hikorontana, araka izany, ny toetry ny andro any an-dranomasina, ho an’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo ary atsinanan’ny Nosy, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny, ka tombanana […]

Fitantanana ny loza anaty hamehana: niofana ny mpiasan’ny BNGRC miisa 35

35 mianadahy niofana mom­ba ny fandrindrana sy ny fitantanana ny loza rehefa misy hamehana. Dimy amin’ireo tale sy lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny BNG RC nifototra tamin’ny fiofanana ho mpanofana (formation des formateurs), ny 30 kosa mpiasa tsotra, Traikefa mila ananana ao anatin’ny fanatanterahana ny asa atrehin’ny Birao nasionaly misahana ny […]