Taratra

Taratry ny kanto

Hisy ny lamesa ho fahatsiarovana an-dRandriamarana Jean de la Croix, na i Delacre. Hotontosaina ny alahady 18 mey izao, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Ekar Masina Maria Imakole, Ambanilalana Itaosy. Manasa ireo rehetra nahalala azy ny fianakaviana sy ny tarika Black Jacks. Hiaka-tsehatra any Kenya ry The Dizzy Brains. […]

« Malagasy Design gaze »: hetsika ho an’ny forona miavaka

Hanasongadinana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpanakanto eo amin’ny sehatry ny famoronana. Izay no tanjona amin’ny hetsika «Malagasy Design gaze», hotontosaina ny 7 hatramin’ny 21 jona izao, eto Antananarivo. Haka endrika varotra fampirantiana ny hetsika. Mikasa ny hampiseho amin’ny rehetra ny fahaizana, ny kalitao ary ny harenan’ny famoronana vita malagasy ny mpikarakara. […]

Tarika Fangia Kalo Gasy: haneho an-kira ny kanto malagasy

Raikitra! Ny sabotsy 17 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Mala­gasy, etsy amin’ny tohatoha­baton’Antaninarenina, ny fampisehoana hiarahana amin’ny tarika Fangia Kalo Gasy. Haneho an-kira ny kanto ma­lagasy izy ireo. Hitety vanim-potoana amin’ireo sangana­san’ny tarika manokana. Faharoa, hihira ireo kalon’ny fahiny na kalon’Imerina manana ny maha izy […]

Fantina sy fintina

Hotanterahina any Toliary ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta, anio sy rahampitso. Efa nanaovana izany ny tany Toamasina sy ny tany Mahajanga ary izao hatao any Atsimon’ny Nosy izao indray. Hiara-dalana amin’izany ny fitokanan’ny filoha fotodrafitrasa samihafa any an-toerana. Hifarana ny 15 mey izao ny fanavaozana ny […]