Nivoaka iny ny tatitra avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly. Mbola loha-lisitra hatrany ny avy eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tontolon’ny fananan-tany kosa no nahazoana fitarainana be indrindra. Niavaka tamin’ity taona ity, nihena be ny fitoriana ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana. Toraka izany ny fahasalamana, izay nampikaikaika […]
Taratra
Fampandrosoana eny ifotony: hiara-kiasa amin’ny distrika fito ry zareo Sinoa
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Tsimbazaza, ny delegasionina sinoa avy amin’ ny « China NGO Network for International Exchanges – CNIE”. Nitarika izany ny filoha lefitra, Li Jun, sy ny masoivoho, Ji Ping. Niompana tamin’ny resaka diplomasia parlemantera, amin’ny maha mpanao lalàna ny Antenimierampirenena, ny dinika ka nanamafisan’ny filohan’ny […]
Tselatra
Nidina ifotony sy nanara-maso hanatsarana ny fomba fiasan’ny ekipa misehatra eny an-kianja ny tomponandraikitry ny polisy, ny harivan’ny alatsinainy 12 mey teo. Nitarika izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny controleur général de Police Rakotozanany Dany Marius. Namoy ny ainy voatomboky ny zandriny angady ny lehilahy iray tao Manarinony, kaominin’ Ambalamanakana, […]
Lozam-pifamoivoizana RN4: naharatrana olona telo
Tra-doza teo amin’ny PK 236+500, tetezana Ampisavankaratra, kaominina Ambanivohitra Andriba, Maevatanàna, lalam-pirenena fahefatra, ny fiara fitateram-bahoaka sprinter afakomaly tamin’ny 5 ora latsaka fahefany hariva. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambanja izy io no izao niharan-doza izao. Nidofotra tamin’ny vodina kamiao iray mpitatitra entana teo alohany ity fiara ity ka potika sy […]
Maevatanàna: lehilahy iray maty vaokaikitry ny alika
Lehilahy iray 47 taona namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny alika romotra nahazo azy, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Tsy tana teny an-dalana nitondrana azy teny anivon’ny hopitaly CHRR Maevatanàna ny ainy. Voakaikitry ny alika romotra tamin’ny volana febroary 2025 lasa teo ity farany fa tsy nety nankany amin’ny […]




