Taratra

Famonoana an’i Raissa kely: hiatrika fampanoavana anio ireo voarohirohy

Nohainoin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava teny Anosy, hiatrika fampanoavana anio, ireo olona voasaringotra tamin’ny raharaha fahafatesan’i Raissa kely. Tsy hilefitra amin’izay nahavanon-doza nahafaty an’i Raissa ny fitsarana fa hampihatra avy hatrany ny sazy, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga  voalohany, Rakotoniaina Narindra Nava­lona, omaly.  “Efa […]

Tatitry ny Bianco Tale sy sekretera jeneraly 13 naiditra am-ponja

Namoaka tatitra ho an’ny taom-piasana 2024 ny eo anivon’ny Bianco. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maromaro ireo tomponandraikitra ambony nampidirina am-ponja. “Tokony hisarika ny saintsika: manomboka any amin’ny tale hatrany amin’ny sekretera je­neraly, nisy 58 voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly ta­min’ny 2024. 13 tamin’izy ireo no notanana vonjimaika am-ponja”. Io no nambaran’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny fia­diana ny tompondaka nasionaly, dingana voalohany N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A, tanterahina any Mahajanga. Raha hiverenana ny vokatra, laharana voalohany vonjimaika ny GNBC Analamanga, eo amin’ ny sokajy lehilahy. Nanainga omaly ny delegasiona malagasy, taranja Beach-volley. Hihazo ny Nosy La Réunion ny […]