Niarahaba sy nirary soa ny kardinaly amerikanina, Robert Francis Prevost, voafidy ho Papa mitondra ny anarana Léon XIV ny filoha Rajoelina Andry. Noharahabainy koa ny Ekar sy ny kristianina rehetra. Nampahery ny filoha Rajoelina Andry ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. « Na ambohitro na ambohitr’olona, rehefa vandana dia kary. Esorina amin’ny […]
Taratra
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana…: Fifaninanana fahadiovana ho an’ny faritra 24
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) momba ny fifaninanana fanatsarana ny firafitry ny tanàna sy ny fahadiovana isaky ny faritra. Efa natsidiky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny herinandro teo, tamin’ny tafa ho an’ny vahoaka malagasy fa ho raikitra […]
Masina Masina
Efa niasa avy hatrany, 24 ora taorian’ny nahavoafidy azy ho Papa Ray Masina, i Léon XIV. Ankoatra ny tsodrano nataony afakomaly alina, ho an’ny kristianina maneran-tany sy ny katolika, anisan’ny be mpiandry ny lamesa rahampitso. Hihazakazahana ny mankany Vatican, eo amin’ny Kianjan’ny Masindahy Piera. Zava-dehibe sy mifono zava-dalina ny […]
Filoha Rajoelina Andry: “Tsy mitondra fampandrosoana ny fankahalana”
“Tsy mitondra fampandrosoana ny fankahalana sy ny fialonana. Ny olona tia tanindrazana sy miasa no mitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fametrahana ny vatofototry ny Tanànan’ny taozavatra sy asa tanana ary ny fampahafantarana ny tetikasa Lac Iarivo, teny Ivato, omaly, manoloana ny fitsikerana […]
TSELATRA
Velaran-tany 2 ha kilan’ny afo tao Anjoromandry Mangabe, fokontany Ambohimanga, kaomininina Ambohimanga Rova, ny alarobia 7 mey teo. Lehilahy nahavanon-doza nosamborin’ny fokontany sy ny zandary. Notanana vonjimaika any am-ponja. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny kaominina Maritampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby niaraka tamin’ny namany izy kinanjo nandrasan’ny […]




