Lehilahy iray 50 taona teo ho eo, namoy ny ainy, voadona sy voahitsaky ny fiara taxi-be iray mampitohy an’Itaosy sy Analakely, omaly tamin’ny 5 ora sy fahatelony maraina. Teo amin’ny lalana Anosimasina Itaosy, akaikin’ny Ocada hidina an’Ampasika no nisehoan’ny loza. Nandeha tamin’ ny sisin-dalana ity lasibatra ity no voafaokan’ny fiara. […]
Taratra
Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy fito naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ny jiolahy fito mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Fianarantsoa, afakomaly. Tambajotran-jiolahy roa samy hafa ravan’ny polisim-pirenena tao an-toerana, tao anatin’ny efatr’andro. Naharay fitarainana maro ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny ny polisy momba ny tranga tsy fandriampahalemana. Mitam-basy ireo mpanao ratsy ka nandroba tokantrano sady nanendaka. Nanao hetsika […]
Niakatra tosidra tampoka : Mpamily taksiborosy torana teo ambony familiana
Safotra tampoka sy nahatsiaro ho fanina teny am-pandehanana, teo amin’ny toerana antsoina hoe: Sahavalaina (70 km tsy hidirana an’i Toamasina), ny mpamily iray, omaly hariva. Nitondra fiara taksiborosy avy aty Antananarivo hihazo an’i Toamasina izy tamin’io. “Najanona ny fiara ary torana sy nikainkona ny tanany sy ny tongony”, hoy i […]
Andrianiaina Miranto: Faniriany efa hatry ny fony kely ilay hilalao sarimihetsika
Vehivavy tanora fantatry ny maro amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy Andrianiaina Miranto. Nanaovana fanadihadiana manokana ny tenany. Gazety Taratra (*): Oviana ianao no nanomboka nilalao sarimehitsika voalohany? Miranto (-): Andrianiaina Miranto ny anarako, 22 taona aho amin’izao fotoana izao. Ny taona 2021 aho no nanomboka niditra tamin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika, ary […]
VAOVAO TAMBATRA
Miompana amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fotodrafitrasa, ny fahasalamana sy ny fitantanana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy ny « Agence française de Développement » (AFD). Ho faritana ny tetiandro sy ny fampianarana ireo fifanarahana. Tanjona ny hampiroboroboana ireo sehatra voalaza etsy ambony ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena […]




