Taratra

Toekarena: 8,4% ny vidim-piainana eto Madagasikara

Tao anatin’ny herintaona (teo anelanelan’ny volana mar­sa 2024 sy ny volana marsa 2025), nisondrotra 8,4% ny vidim-piainana teto Madagasikara, araka ny fanadihadiana ara-toekarena na­voakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, nahitam-piakarany 1,2% izany tao anatin’ny 12 volana. Anisan’ny nisondrotra 12,7% ny vidim-bary, niakatra 4,5% ihany koa ny sehatry ny angovo. […]

Tondrozotra Task Force Riz : Napetraka ireo paikady

Nozaraina andraikitra mazava ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Task Force Riz. Hifandray bebe kokoa amin’ny rehetra ny avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny varotra anatiny (DCI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra hanamafisana ny andraikitry ny tsirairay mpikambana. Nisongadina ireo nandritra ny fivorian’ireo ankolafy samihafa voakasiky ny raharaham-bary, […]

Fambolena sy fiompiana : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena

Anisan’ireo sehatra miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fiompiana sy ny fambolena. Iankinan’ny fampiroboroboana ny toekarena sy manampy amin’ny fahatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ireo seha-pihariana ireo. Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, eto Madagasikara. Soa fanararaotra ny fananantsika malagasy 80% misehatra amin’ireo rafi-pihariana ireo […]

INDRAY MIJERY

Nandritra ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny toekarena tany Davos, ny volana janoary lasa teo, voalaza fa hataon’ny milina avokoa ny 80% amin’ny asa momba ny fitantanana amin’ny taona 2030. Mila miomana amin’ny fahaiza-miatrika ny fiovana entin’ny fivoaran’ny teknolojia ny sehatrasa rehetra. Anisan’ny asa ho foana miandalana ny asa atao tanana […]

Lalàna mifehy ny asa : Hofanina ireo sendikan’ny mpiasa

Anjaran’ny faritra Vakinan­karatra indray izao no misi­traka ny fiofanana mahakasika ireo fehezan-dalàna mifehy ny asa voarakitry ny lalàna lah 2024-014. Paikady entin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana ny manatanteraka ny fampahafantarana izay voarakitra ao anatin’izany. Vaindohan-draharahan’ny fitondrana fiofanana ho an’ireo mpiantsehatra rehetra mampiasa ity lalàna vaovao ity. Solontenan’ny […]