Taratra

Fanabeazana : Nanome 8,75 tapitrisa dolara ny japoney

Manome 1,45 tapitrisa dolara hanohanana ny sehatry ny fanabeazana ny firenena japoney. Mampiasa vola 8,75 tapitrisa dolara fanampiny avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara izy ireo. Hanampy amin’ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fampianarana manara-penitra sy mampiaty ireo famatsiam-bola ireo. Natao hanamafisana ny fanofanana mpampianatra, hanohanana ny fianaran’ny ankizy […]

Sehatra fifanakalozan-kevitra : “Mila mahafehy ny teknolojia sy ny teny anglisy ny tanora”

Omena sehatra hizara ny hetahetany ny tanora momba ireo lohahevitra mahakasika azy mivantana ka hipaka any amin’ny tomponandraikitra mahefa. Olana goavana eto amintsika ny tsy fisian’ny asa mifandraika amin’ny fiana­rana norantovin’ny tanora. Notontosaina teny amin’ ny Oniversiten’Antana­narivo, omaly, ny famelabelarana arahina adihevitra “Ndao hiresaka fampandrosoana”, voalohany, niarahana tamin’ny mpianatry ny […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny atrikasa ho an’ny teatra, isaky ny zoma manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eny amin’ny Craam Ankatso. Natao ho an’ireo liana ka te hisehatra amin’ny teatra izany, hampitana ny fahatokisan-tena, ny fomba fisehatra rehetra, ny fihetsika eo no ho eo, ny fiainana ny tantara araka ny nanaovan’ny mpanoratra sy […]

STK 50 taona: Santarina amin’ny fampisehoan’Antsan’i Kristy

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampana tanora kristianina (STK) eo anivon’ny fiangonana FJKM. Hosantarina amin’ny fampisehoana rindran-kira Antsan’i Kristy, atao etsy Antsahama­nitra, ny 11 mey ho avy izao, izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho. Hisokatra amin’ny 10 ora sy sasany ny vavahady. Hana­fana sy hanentana eny an-toerana […]

“La Poésie de Madagascar”: Tamban-tononkalo, sanganasana poety 30

Misongadina maneran-tany ny poeta malagasy, namoaka sanganasa amin’ny teny frantsay. Nisafidy ny sanganasan’ireo poeta 30 i Dominique Ranaivoson, natambany tanatin’ity boky « La Poésie de Madagascar » ity. Jean Joseph Rabearivelo, Samuel Ratany, Dox, Jacques Rabemamanjara, Régis Rajemisa Raolison, David Jaomanoro, Esther Nirina, Henri Ratsimbazafy… Anarana poeta tany aloha tany, […]