Taratra

Mpangalatra tany tetsy Ambodivona: Olona enina naiditra eny Antanimora

Niakatra fampanoavana ny 5 sy 6 mey, tetsy anivon’ny Pac 67ha, ireo olona 31 voarohirohy tamin’ilay raharaha fivarotana tanin’olona iray tetsy Ambodivona. Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora ny enina tamin’izy ireo. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Eo ambany fanaraha-mason’ny Pac kosa ny olona valo mianadahy hafa, mandra-piandry ny fitsarana […]

Saika hanondrana volamena : Teratany Sri-lankais naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais, saika hanondrana volamena tany Dubaï, tratra ny sabotsy teo. Nilanja efatra kilao ny entana sarobidy teny aminy. Niakatra fampanoavana, omaly, tetsy anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) 67ha ilay teratany Sri-lankais. Voarohirohy nikasa hanondrana antsokosoko volamena milanja 3,885kg ho any Dubaï, ny 03 mey lasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 3 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy raha novidiana 2 000 Ar teo aloha. Mananosarotra ihany koa ny fahitana ny vokatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpivarotra fa vanim-potoana tsy fisian’ny ovy amin’izao, eo ihany koa ny rotsakorana tampoka any amin’ireo faritra mpamokatra izany ka mahatonga ny fiakaram-bidy […]

Fiatrehana ny loza voajanahary : Tafapetraka ny tetikasa IRFF

Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny […]