Notanterahina omaly maraina, teny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny orinasa Bet 261 sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voarakitra anatin’izany fifanarahana izany ny fanomezana vola 100 tapitrisa Ar isan-taona ho an’ity farany. Vola izay natokana indrindra hanampiana ny mpanao fanatanjahantena sy hampivelarana ny tanora malagasy. Nitarika […]
Taratra
Raharimalala Josephine : “Tsy mahavelona intsony ny asa fivarotana voankazo”
Mandalo fotoan-tsarotra ny fihariana ara-barotra amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo miaina fahasarotana ny mpivarotra voankazo. Nilaza izy ireo fa nahitana fiakarana ny vidin’ny entana nefa ratsy ny vokatra amidy. Miaina vanim-potoana manahirana ny mpivarotra voankazo amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana mahakasika izany Raharimalala Josephine, mpivarotra voankazo iray eny Andoharanofotsy, omaly. […]
Famedev : Hanadihady ny fampahalalam-baovao
Marihina amin’ity 6 mey ity, maneran-tany, ny fanadihadiana sy fitrandrahana ny fomba fiasan’ny fampahalalam-baovao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy “Projet mondial de monitorage des médias – Global Media Monitoring Project” (GMMP). Efa fanao isaky ny dimy taona izany ka anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika iray ity ny eo anivon’ny “Femmes […]
Harembakoka iraisam-pirenena : Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny firenena 24 miofana
Mpilatsaka an-tsitrapo 37 avy amin’ny firenena 24 no nanaraka fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka nandritra ny herinandro, teny Antaninarenina. Niompana tamin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fiofanana. Hifarana anio, eny Antaninarenina, ny fiofanana niarahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manerana izao tontolo izao. Miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay […]
INDRAY MIJERY
Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fiarovana ny harembakoka iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ny ONG malagasy, Jeunes actifs pour le développement durable. Niarahana tamin’ny Unesco izany, izy ireo izay manana mpilatsaka an-tsitrapo 15. Ny fiarovana ny ala mando any atsinanana sy ny ala maina any andrefana no tena iasan’izy […]




