Tanterahina any Mahajanga ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona, ho antsika eto Madagasikara. An’aliny ireo mpampivelona manerana ny Nosy andrasana ho tonga any an-toerana. “Ny mpampivelona, tsy maintsy ilaina amin’ny krizy rehetra” no lohahevitra voizina mandritra ny hetsika. Manome voninahitra ireo maherifo miasa mangina ireo ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. […]
Taratra
Aro loza any am-piasana : Miofana ireo dokotera SMIE
Dokotera 44, avy amin’ireo sampandraharaha misahana ny fitsaboana eo anivon’ny orinasa (SMIE) miisa 29 manerana ny Nosy, no manaraka fiofanana eny Androhibe, nanomboka omaly ary mitohy anio. Mahakasika ny aro loza sy fahasalaman’ny mpiasa, karakarain’ny minisiteran’ny Asa no atao amin’izany. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo lehibe ny fiofanana. Eo ny fanentanana […]
Fanabeazana ara-pananahana an-tsekoly: Mpianatra mpanabe olon-tsahala miisa 40 hanentana
Mandao ny sekoly ny ankamaroan’ny tovovavy malagasy noho ny antony maro, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unesco ny taona 2021. 40% ny tahan’ny fialana an-daharana ho an’ny ambaratonga faharoa, raha mihoatra ny 60% kosa eny amin’ny Lycée. Betsaka ny antony mahatonga izany fialana an-daharana izany fa anisany ny fanambadiana aloha loatra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ny zava-misy na dia manaraka ny vidin-tsolika tena marina aza isika. Marihina fa tafakatra 5 510Ar/l ny lasantsy raha toa ka 5 320Ar/l izany teo aloha. Sandaina 3 230Ar/l ny solika fandrehitra raha 3 030Ar izany. Niakatra ho […]
Tsena iraisam-pirenena: Tombanana hidina ny vidin’ny akora fototra
Tombanana hidina ny vidin’ny akora fototra maneran-tany hatramin’ny taona 2026, vidiny izay anisan’ny ambany indrindra tao anatin’ny enin-taona farany. Vinavina navoakan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny tatitra “Commodity Markets Outlook”, nivoaka ny herinandro teo, izany. Anisany antony hampihena io vidin’entana io ny fihenan’ny harinkarena maneran-tany, ny fitomboan’ny famokarana solika ary ny fiovan’ny […]




