Taratra

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana

Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Ha­tsangana […]

Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany manokana faha-27

Notanterahina omaly, tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Acmil) Antsi­rabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny an­diany manokana faha-27 na 27°Péloton de Formation Mi­litaire des Cadres Spécialistes (PFMCS). Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Folo­alindahy (MFA), ny Jly Sahi­velo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, […]

VAOVAO TAMBATRA

Nirongatra sady niparitaka ny andiam-balala taorian’ny rotsakorana tany amin’ny faritra Anösy. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitera Minae sy ny Ivonterana miady amin’ny valala (IFVM) ary ny FAO, nanomboka ny marsa teo. Nahatratra 1 460 ha ny velaran-tany notondrahina tamin’ny alalan’ny angidimby ary 2 200 ha ady an-tanety tany Amboasary. Liana amin’ny […]

Fampiasana ny niomerika: Hanova ny fijery sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy

Hapetraka isaky ny renivohi-paritany ireo ivontoeran’ny haitao ara-kajy mirindra (Digital Center). Hampivelatra ny fahaiza-manao niomerika eto an-toerana sy ho fampandrosoana ny olom-pirenena izany. Ireo ny vinan’i Mada­gasikara momba ny niomerika ho an’ny rehetra nandritra ny hetsika « Global Empower­ment Meeting (GEM 2025) », tany Harvard, ny alatsinainy sy talata teo. Novoaboasan’ny minisitry […]

Harena voajanahary : Hikajiana ny harinkarena faobe

Tsy afa-misaraka amin’ny toekarena ny harena voajanahary. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « Spring meetings » tany Washington, ny tetikasan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Hampidirina ho anisan’ireo singa hikajiana ny harinkarena faobe ny harena voajanahary. Ho firenena mpitari-dalana amin’izany i Madagasikara sy Niger. Hitarika ny tetikasa kosa ny filoha lefitry ny […]