Taratra

Tsimbazaza Andohamandry : Lehilahy tratra nangalatra Kaontera

Tratra teo am-pangalarana Kaontera an’ny Jirama tao an-tokantranon’olona, tetsy Tsimbazaza Andohamandry, ny lehilahy iray, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nangina ny tanàna, niditra antsokosoko tao an-tokantranon’olona ity olon-dratsy ity. Nihevitra fa tsy hisy olona tao an-trano ka tsy nisalasala izy niditra. Tsikaritry ny renim-pianakaviana iray tao an-trano anefa ny nidirany […]

Tahotra ny tsy handova: Novonoin-janany ny rainy

Naiditra am-ponja, omaly, ireo telo lahy namono nahafaty raim-pianakaviana teny Ambohinambo Talatamaty. Atidoha nikotrika izany ny zanany lahy. Antony, valifaty sy tahotra ny tsy handova. Niakatra fampanoavana, omaly, ny tovolahy telo. Monina eny Ambohi­nambo Talatamaty izy ireo. Voarohirohy ho namono nahafaty ny raim-pianakaviana teny an-toerana ny faha-3 avrily 2025 lasa […]

Taranja tolona : Lany ho sekretera jeneraly mpanampy R. Mamitiana

Notanterahina ny 28 avrily lasa teo, tany Casablanca, ny fifidianana izay ho filohan’ny taranja tolona eto Afrika, sy izay ho mpikambana vaovao anatin’ny rafitra federaly. Lany ho anisan’ireo anaty birao miasa amin’ity taranja ity, eto Afrika, ary mitazona ny andraikitrin’ny sekretera jeneraly mpanampy Raveloson Ma­mitiana Nestor, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja […]

BEPC – EPS: Vonona handray ny kianja eny Isahafa

Eo am-pikarakarana ny fandraisana ireo mpia­dina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’izao fotoana izao, ny mpiandraikitra ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny adina eny amin’ny kianja ao Isahafa sy eny amin’ny kianjan’ny fikambanana Akamasoa. Manala fahasahiranana tanteraka ho an’ny […]