Taratra

Vovonana Fiharoa: Iraisan’ny mpomba sy ny mpanohitra ny tetikasa Base

Natsangana, ny herinandro lasa teo, ny vovonana Fiharoa any amin’ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisi­ha. Natao handrindra ireo mpomba sy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara. Ahafa­hana mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny mponina eny ifotony. Mba hisian’ny fitakiana miray feo sady hiarahana misitraka ny tombontsoa azo amin’ny orinasa Base. Nisantatra ny […]

Fihaonana faharoan’ny mpitantana : Hiresaka ny teknolojia ao anatin’ny fitantanana

Tsy afa-misaraka eo amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra hampandrosoana ny fandraharahana sy ny fitantanana. Maro ny tombontsoa entiny, misy koa ireo voka-dratsin’ny fikirakirana ny teknolojia. Hampahafantatra ireo tombontsoa sy ny fiantraikan’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fitantanana ny Dr Fabrice […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny distrikan’i Morombe ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa ta­min’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy nandritra ny diany. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana misy sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka. Nitsidika ireo sekoly efatra amin’ny 22 hatsangana miaraka […]

Tetikasa Otho-SENVH: Vita ny zara tany teny Tsiafahy

Natao omaly ny zara-tany teny amin’ny kaominina Tsiafahy amin’ilay tetikasa “Tany iray, trano iray” ima­soan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana (SENVH), izay tarihin’ny sekreteram-panjakana, Andriamanohisoa Gerard. Tany mirefy 2 ha no nozaraina ho an’ny olona 96 izay tsara vintana tamin’ny fisarihana natao nandritra ny fisoratana, 2 […]