Mitohy ny asa hampidirana ny Misiona katolika ao Ambodifotatra Sainte Marie, ho anaty lisitry ny harembakoka iraisam-pirenena harovan’ny Unesco. Tonga eto, ary efa nidina any ifotony ireo manampahaizana momba ny harembakoka avy amin’ny komity misahana ny harembakoka iraisam-pirenena, eo anivon’ny Unesco. Miara-dalana amin’izy ireo ny avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy […]
Taratra
Fahasimban’ny teny malagasy : Tsy nohenoina ny mpikaroka sy ny anti-panahy
Satria, mipetra-potsiny, tsy ampiasaina dia arafesina, bobongolo, simba ! Io no anisan’ny tranga mamotika tsikelikely ny teny malagasy. Tsy miasa amin’ny tokony ho izy, hany ka levona sy miha very tsikelikely. Na miezaka mamaha olana aza ny mpikaroka sy ny anti-panahy, very maina ny ezaka ataon-dry zareo, satria, tsy misy mihaino. […]
“Tena matotra”: Hiran’i Njakatiana ranoiray…
Ny alahady 16 febroary izao ilay seho goavana homanin’i Njakatiana. Hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy io, manomboka amin’ny 3 ora hariva. “Hiran’i Njakatiana ranoiray no ho ao. Tsy hisy hoe mpanakanto na tarika nasaina hanao ny hirany. Kanefa, manana hira fampiaraham-peo maro aho, ka mety misy namana vitsivitsy […]
Tahinavibe Ramahefason : « Sarihina hankafy ny jazz ireo tia mozika »
Efa tarika Ny T-Vibe ankehitriny. Hizara an-tsehatra ny sanganasany, izay misarika mankany amin’ny jazz ry Tahinavibe sy ny namany. “Ho doria”. Io ny anarana nampisalorana ny rakikira vaovaon’ny T-Vibe. Rakikira voalohany raha ho an’ny tarika, saingy efa fahatelo kosa raha ho an’i Tahinavibe Ramahefason manokana. “Hoentinay an-tsehatra ireo hira voarakitra […]
VAOVAO TAMBATRA
Hotanterahina ny 1 marsa ny “Tropic Awards 2025”. Hetsika hanomezana loka an’ireo mpanentana (influenceurs) eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny sakafo. Manome lanja ny vokatra malagasy sy mampahafantatra an’i Madagasikara eto an-toerana sy any ivelany ireto mpisehatra ireto hampiroboroboana ny seha-pihariana. Nankatoavina ny fomba fanao tsara amin’ny fambolena kafe […]