Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, hanao lalao ara-pirahalahiana any Frantsa, ny Barea ny volana jona. Ankoatra ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), iray amin’i Guinee Bissau sy i Congo Brazzaville no hifanandrina amin’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy nataon’ny Federasionina malagasin’ny […]
Taratra
Rugby – «Top 12»: Hiady ny amboara ny FTM (Dakar) sy ny Cosfa (Bebaoty)
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity, ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Top 12”. Hiady izany anaram-boninahitra izany ny Cosfa (Bebaoty) sy ny FTM Manjakaray (Dakar). Hanala vela amin’ity ry zareo Manjakaray. Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra fa ny mpankafy […]
INDRAY MIJERY
Ampiasana hiarovana fambolena sy zavamaniry amin’ny velaran-tany 5 ha amin’ny valala ny fanafody 1l. Fanafody fiadiana mivantana amin’ny valala mirefy 400 l no nampiasaina hikarakarana velaran-tany 400 ha amin’izao volana avrily ka hatramin’ny mey. Maniry ny hampiasana angidimby amin’ny famonoana valala ny teknisianina any ifotony. Efa nivoaka ny tetiandro fizarana […]
Fivoahana ivelan’ny sekoly : Misy toromarika mila arahin’ny mpitantana
Taorian’ny famoizana aina mpianatra dimy avy amin’ny Lycée Manjakandriana tamin’ity herinandro ity, tany Mahajanga, nandritra ny fivoahana nokarakarain’ny sekoly. Mampatsiahy ny tomponandraikitra fa efa namoaka naoty ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 12 septambra 2024. Momba ny fiahiana ireo mpianatra mandritra ny fivoahana ny faritry ny sekoly, izay karakarain’ny mpitantana manoloana ny […]
Hopitaly Analakininina Toamasina: Miakatra fitsarana izay maka sary atao porofo
Nampahatsiahy ny lalàna laharana faha-2020-006 ao amin’ny andininy faha-7 tamin’ny 1 septambra 2020 ny hopitaly Analakininina Toamasina, mahakasika ny tsy fahazoan-dalana maka sary eny amin’ny hopitaly. Namoaka naoty fampahatsiahivana mihitsy ity hopitaly ity amin’ny fandrarana izany. Tsy azo atao ny maka sary na horonantsary ao amin’ny faritry ny hopitaly na […]




