Taratra

Nanomboka ny volana janoary : Velarana 230 000 ha niadiana sy narovana tamin’ny valala

Nanomboka ny volana janoary lasa teo, hita taratra ny fahatongavan’ny valala ao amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra Anôsy. Nanaranaka ireo valala ireo ka mbola mitohy amin’izao fotoana izao. Manome andiana kijeja mitsitokotoko amin’ny faritra ny andiam-balala ka niditra an-tsehatra ny ivontoerana famongorana valala (IFVM) miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena hiady amin’ny […]

Loza ateraky ny asa: 2,5 tapitrisa isan-taona ny mpiasa maty

Manao ezaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny loza any anaty asa ny tompona orinasa. Mampiasa ireo karazana fitaovana fiarovana mifandraika amin’ny sehatry ny asa avy. Manomboka miditra amin’ny tontolon’ny asa ny nomerika ary mampihena amin’ny ampahany ny loza ateraky ny asa izy ireny. Andro iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sy fahasalaman’ny mpiasa eny […]

TARATRY ny KANTO

Anisan’ny nanaitra ireo mpankafy ny sanganasan’i Jaojoby nandritra ny seho tany Antsirabe, ny nahenoana indray ireo hira efa tsy dia fanaon’ity andrarezin’ny hira malagasy ity intsony. Anisan’izany ny hira amin’ny teny anglisy iray, tamin’ny gadona reggae, izay efa noforoniny tany amin’ny taona 1974. Teo koa ny hira tanatin’ny rakikira voalohany […]

Fiaraha-miasa Frantsay sy Malagasy : Hampiofanina ireo mpitantana mozea

Hamafisina ny fiaraha-mi­asa eo amin’ireo mpahay tantaran’ny firenena roa tonta. Hisy ny fampiofanana ireo mpi­tantana mozea, mikasika ny fikajiana ny harembakoka sy ny toerana miavaka. Ani­san’ireo lohahevi-dehibe ni­ompanan’ny fihaonan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny delegasiona notarihiny tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina malagasy, Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny […]

Faculté EGS Ankatso: Nankalazaina ny Andron’ny boky

Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny boky, andiany faharoa ny faculté EGS (Economie, Gestion, Sociologie) eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. “Boky, mpanoratra, andrin’ny fampandrosoana”, io ny lohahevitra nentina na­namarihana ny hetsika. Nahitana fandaharam-potoana maro samihafa nahafahana nampiseho ny tontolon’ny boky teny an-toerana. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra eo amin’ny rohim-boky, toy […]