Taratra

Foibe Carso : Tohanana ny tanora amin’ny fandraharahana

Manomboka misy vokany ny fanohanana ny tanora amin’ny fandraharahana any Toliara. Homanina dieny aty am-boalohany koa izy ireo, ankehitriny, amin’ny fahatongavan’ny orinasa Base Toliara. Miara-miombon’antoka amin’ny Antenimieran’ ny varotra sy ny indostria Toliara (CCIT) sy ny tetikasa Tendro iraisan’ny rehetra hisian’ny fampandrosoana (Pic), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, ny Foibem-pandraharahana faritra Atsi­mo […]

SOMBIM-BAOVAO

Tafita eo amin’ny dingana ampahefa-dalana, ilay Malagasy mpilalao tenisy, Sarah Rakotomanga. Fifaninanana hiadiana ny « tournoi WTA 250 » atao ao Rouen. Omaly, nifanandrina tamin’ilay Neerlandaise, i Suzan Lamens, laharana faha-69 amin’ny laharan’ny WTA ny tovovavy. Tsy ao anaty ekipam-pirenena frantsay amin’ny tsipy kanetibe intsony, i Philippe Suchaud. Nosoloina an’i Ligan […]

“Pureplay Football League” : Ho fantatra ireo ekipa tafita «playoff»

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « World Cola PFL », taranja baolina kitra. Hafana tanteraka ity andro farany ity, hiady ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sahirana nandritra ny andro folo efa vita izay. Araka ny fikarohana natao, ilay toerana fahavalo sisa no […]

Volley-Mada 2025 : Hiditra amin’ny famaranana, anio

Hiditra amin’ny lalao famaranana sahady ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 14 taona sy 18 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana hotanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, anio sabotsy 19 avrily. Ho an’ny sokajy vehivavy, latsaky ny 18 taona, hifanandrina amin’ny famaranana ny GNVB sy ny MVBC, raha […]

Rugby U18 – « AROI 2025 » : Firenena efatra hiady izay ho lohany

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), amin’ny taranja rugby, sokajy zandriny (U18). Fifaninanana hatao eto Madagasikara, ka firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’izany. Anisan’izany ny Makis. Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny fikambanamben’ny ranomasimbe Indianina (Aroi 2025), taranja rugby lalaovina olona […]